<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A.C. Adam</author>
<lyrics>[V1]
 Ry mpivahiny reraka sy ana,
 Herezonao ny dia, fa irý
 Ny lapa soan'ny fanantenana,
 Ka aza mba mamoy fo etý,
 Fa vetivety Hianao no eto,
 Dia tapitra ny alahelonao,
 Ka dia mba ononinao ny sento,
 // Fa mihafohy ny alehanao //

[V2]
 Jesosy no mpitsinjo mpivahiny
 Ka Izy dia ta-handray anao ;
 Ny fony dia toy ny fahiny
 Ka vonona hitantana anao,
 Ka miezaha hanatratra eny,
 Antsoiny hianao izao hoe :
 Minoa Ahy araka ny teny,
 // Ny tranon-dRaiko dia
 lehibe //

[V3]
 Mangoraka anao izao ny fony
 Ny tena aman-drany vatsinao,
 Ka aza mba mihemotra
 intsony,
 Fa ampy ho anao Jesosinao,
 Ka raiso ny finoana ho
 ampinga,
 Ny teny masina ho sambatra,
 Ny fahamarinana mba
 hahakinga,
 // Ny fitiavana hanandratra //</lyrics>
<title>Ry mpivahiny reraka sy hana FFPM674</title>
<hymn_number>674</hymn_number>
</song>